"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HIVALY NY FITARAINANAO OLON’I KRISTY

Hitaraina @ Andriamanitra ianao
« Hitaraina amin'Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin'Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy. » (Salamo 57:2)
avy eo hisaotra Azy
« Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao. » (Salamo 56:12)
mariky ny fahatokisanao
« Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko? » (Salamo 56:11)
fa ho vitany ny hanafaka ny sakasakana rehetra
« Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona*.[Na: fahazavan'aina] » (Salamo 56:13)
HO HITANAO FA TENA MANDRAY AN-TANANA NY FIAINANAO TOKOA NY TOMPO E!
MAHEREZA!