"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

TSY HISY AFAKA HANDRESY AN'I KRISTY AO ANATINAO


Na dia tampo-dala-kaleha aza ianao nohon'ny fanenjehana
"Ary dia nampandeha soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna. " (2Mpanjaka6:14)
matokia an'ilay Andriamanitrao
"Ary hoy Elisa : Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy."(2Mpanjaka6:16)
fa vonona hampiseho ny heriny @ fombany Izy
"Ary Elisa nivavaka hoe : Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason'ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa.Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah ka nanao hoe : Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin'i Elisa. Ary hoy Elisa taminy : Tsy ity no làlana, ary tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy hianareo, dia hitondra anareo ho any amin'ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo.Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa : Jehovah ô, ampahirato ny mason'ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan'i Samaria izy.Ary nony nahita azy ny mpanjakan'ny Isiraely, dia hoy izy tamin'i Elisa : Ry ikaky ô, hasiako va izy ? hasiako va izy ?Fa izy namaly hoe : Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin'ny sabatrao sy ny tsipìkanao ? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin'ny tompony.Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin'ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin'ny tanin'ny Isiraely intsony ny mpitoha adin'i Syria." (2Mpanjaka6:17-23)

NOHON'NY FINOANAO AZY DIA VONONA HANAO FAHAGAGANA IZY MBA HAMAHANY NY OLANAO!!