"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MITAIZA NY OLONY AMIN'NY FOMBANY ANDRIAMANITRA

Mananatra
« Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao. » (Deotoronomia 8:5)
manoro lalana
« Ary tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin'ny lalany sy hatahoranao Azy. » (Deotoronomia 8:6)
mizaha toetra
« Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia. »
(Deotoronomia 8:2)
miantoka ny sakafo sy ny fitafiana 
« Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona.Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao. » (Deotoronomia 8:3-4)
ary manome harena anao @ fombany Andriamanitra


« Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra,tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongaben-danitra, tany misy hazo oliva sy tantely,tany izay hihinananao hanina amin'ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin'ny tendrombohiny no hihadianao varahina. »(Deotoronomia 8:7-9)




MATOKISA AZY,HAJAO IZY DIA HO HITANAO NY VONINAHINY!!!

MAHEREZA.