"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

GRADY,TOMBOTSOA,FAHEFANA MANOKANA NO HOMENA ANAO OLON'ANDRIAMANITRA


Noho ianao nitalaho t@ Kristy
« Dia hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin'ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan'Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny teninao dia avy aho. » (Daniela 10:12)
dia hiseho aminao Izy
« dia nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no nisikinany;tahaka ny krysolita ny tenany. ary tahaka ny helatra ny tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, ary mivolom-barahina manganohano ny sandriny sy ny tongony; ary ny feony toy ny feon'olona maro be; » (Daniela 10:5-6)
hiresaka aminao
« Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa nirahina ho aty aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho. »(Daniela 10:11)
ary ho lasa modely ho an'ny hafa izay hataonao
« Ary Ezekiela dia ho famantarana mahagaga ho anareo; koa araka izay rehetra nataony no mba hataonareo; ary rehefa tonga izany, dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo. » (Ezekiela 24:24)

AZA VOTSORINA FA HITONDRA FANOVANA IREO HOSOTRA NOMENA ANAO IREO!!!

MATOKIA.