"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

NITADY AN'ANDRIAMANITRA IANAO DIA HAHITA AZY ARY HANOVA NY FIAINANAO IZANY


Tsy hisy ny mpampahory anao
« Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren'i Moaba ianao, mba tsy ho azon'ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin'ny tany intsony ny mpanosihosy. » (Isaia 16:4)
ho voavela heloka

« Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana ety
ambonin'ny tany hamela heloka - dia hoy Izy tamin'ilay
mararin'ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia
betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. »

(Lioka 5:24)

ho voakarakara tsara ianao
« Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny. » (Jeremia 52:33-34)
satria liana @ fahamarinan'Andriamanitra
« Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin'ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin'ny fahamarinana ao an-dain'i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny. » (Isaia 16:5)

AZY NY FAHEFANA ARY TSY HO SAROTRA AMINY NY HAMPIADANA ANAO!!!

MATOKIA