"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MITONDRA FANDRAVANA NY SAKANA REHETRA NY FIDERANA


Derao ny Tompo na dia ao anaty ady sarotra aza
« Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra. » (Asan'ny Apostoly 16:25)
fa hivaha ireo olana mamatotra anao
« Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra. » (Asan'ny Apostoly 16:26)
Hahita izany ny hafa dia ho babo @ Kristy koa
« Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?  Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. » (Asan'ny Apostoly 16:30-31)
MINOA!DIA HAHITA FITSAHARANA SADY HITAONA OLONA MARO HO ANY AN-DANITRA IANAO!

MATOKIA!