"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HO VOATAHY IANAO OLON’I KRISTY IZAY MANAJA AZY


Tandrovy ny sitrapon'Andriamanitra dia handova fitahiana
« Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy. » (Deotoronomia 8:1)
ho hitanao maso izany
« Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra,tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongaben-danitra, tany misy hazo oliva sy tantely,tany izay hihinananao hanina amin'ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin'ny tendrombohiny no hihadianao varahina. » (Deotoronomia 8:7-9)
tsy noho ny herinao
« ary andrao ianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin'ny tanako no nahavoriako izao harena izao; » (Deotoronomia 8:17)
fa ny heriny ao anatinao
« fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin'ny razanao, tahaka ny amin'izao anio izao. » (Deotoronomia 8:18)
FIKIRO KRISTY DIA HAMIRAPIRATRA EO @ FIAINANAO NY VONINAHINY.
MINOA !