"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

FAHAGAGANA NATAON’I KRISTY SY NY APOSTOLY DIA HO VITANAO OLON’I KRISTY ANKEHITRINY


Nanasitrana ny paralysisa Kristy
« Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin'ny paralysisa nandry tamin'ny fandriana nentin'ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao. » (Matio 9:2)
nahavita izany koa i petera
« Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin'ny paralysisa.Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy. » (Asan'ny Apostoly 9:33-34)
nanangana ny maty Kristy
« Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha. » (Jaona 11:44)
nanao izany koa i paoly
« Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin'i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy.Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain'ny andro izy, dia lasa nandeha.Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly. » (Asan'ny Apostoly 20:9-12)
ANJARANAO IZAO!
MINOA !!
FA TSY MIOVA OMALY SY ANIO ARY MANDRAKIZAY NY TOMPONTSIKA !!!
MAHEREZA.