"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HAMASINO NY TENANAO OLON'I KRISTY



Masina sy marina ary maharitra mandrakizay ny fanekena nifanaovan'Andriamanitra taminao olony
« Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy. Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka. » (Malakia 2:5-6)
Raha tsy tandrovana anefa izany dia hivadika ozona!
« Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo » (Malakia 2:2a)
HAJAO NY TEMPOLINY DIA HANJAKA AO ANATINAO @ FOMBA MAHAGAGA KRISTY! MAHEREZA