"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MISY HERY TSY TAKATRY NY SAINA NY MASONAO OLON’I KRISTY

Izay olona mitady hanakana tsy hitorianao ny filazantsara
« Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana. » (Asan'ny Apostoly 13:8)
dia banjino
« Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy » (Asan'ny Apostoly 13:9)
ary sakano ny fanahy ratsy ao aminy fa hahomby izany
« ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo va ialahy? Ary, indro, ankehitriny ny tanan'ny Tompo hamely an'ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin'izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin'ny fampianaran'ny Tompo. » (Asan'ny Apostoly 13:10-12)
SAHIA!!
TE HAMPANDROSO HAINGANA KOKOA HATRANY NY FANJAKANY @ ALALANAO MANTSY NY TOMPO !!
MAHEREZA !