"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HAHAVITA FAHAGAGANA IANAO OLON’I KRISTY

Nisy vavolombelona maro nahita ny fahagagana nataon'i Elia « Ary nisy dimam-polo lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny lavitra eny; fa izy roa lahy kosa nitsangana teo amoron'i Jordana. Ary Elia nandray ny kapôtiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin'ny tany maina izy roa lahy. » (2 Mpanjaka 2:7-8)
nisy maro koa nahita ny fahagagana nataon'i Elisa
« Dia noraisin'i Elisa ny kapôtin'i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr'i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy.Ary raha nahita azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Ny fanahin'i Elia efa mipetraka amin'i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany. » (2 Mpanjaka 2:14-15)
ANJARANAO IZAO Asa1:8.MINOA!MANOMBOHA MIASA @ ANARANY FA HO HITANAO NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA !!!
SAHIA !!!