"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

TSY HISY AFAKA HANAKANA NY MISSION-NAO OLON’I KRISTY

Tian'Andriamanitra hanana fahasahiana tanteraka hanao ny asany ianao olony
« Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao. » (Jeremia 1:17)
satria efa nomeny teo-panahy tena mahery ianao hiatrehana izany
« Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon'ny tany rehetra, na ny mpanjakan'ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka. » (Jeremia 1:18)
MATOKIA !
DIA HITSIRY AO AMINAO ILAY FAHASAHIANA MAHAGAGA ARY HANARAKA IZANY ILAY HERIN’ANDRIAMANITRA MAHAGAGA !!!