"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

AZA VARIANA MANDRAY FITAHIANA FA MAZOTOA MITORY HO AN’NY HAFA

Hihaino anao olony ny Tompo
« Ary amin'izany andro izany dia hihaino* Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; [Na: hamaly] » (Hosea 2:23)
hovoatahy @ lafiny rehetra ianao
« Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an'i Jezirela, Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lò-rohama* Aho sady hanao amin'i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.[Izahao i. 6] » (Hosea 2:24-25)
Ho setrin'izany anefa dia mila mitory mba tsy ho very izay tsy mahalala Azy
« Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao. » (Hosea 4:6)
MILA ANAO OLONY NY TOMPO !
NY HAMONJY NY REHETRA MANTSY NO NAHATONGAVAN’I KRISTY TETO AN-TANY !!!
MAZOTOA !
MAHEREZA !