"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MARINA DIA MARINA TOKOA FA IANAO OLON'I KRISTY DIA

Irak'Andriamanitra
« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy. » (Jaona 13:20)
Mahazo izay angatahinao @ anarany
« Ary amin'izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo amin'ny anarako izany. » (Jaona 16:23)
Hanao asa lehibe noho Izy
« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray. » (Jaona 14:12)
MIAHOTRA ARY MAMPIASA NY HERIN’NY FAHAMARINAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA E !
MAHEREZA !