"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

SEDRA HAFA !SEDRA HAHASOA ! HO ANAO OLON’I KRISTY

Ianao olon'Kristy dia mila manaiky hodiovina
« Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana. » (Malakia 3:3)
mba tsy ho isan'ireo ho faizina
« Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny karamany mbamin'ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Malakia 3:5)
satria ho avy izany
« Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany. » (Malakia 3:19)
fa ianao ho tafavoaka sy ho voatahy
« Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany*; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy; [Heb. elany] » (Malakia 3:20)
MITRAKA !
MAHEREZA !
SATRIA MANANA ILAY MPIAHY AZO ANTOKA !!