"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MAHARETA AO @ KRISTY FA HANANA NY SOA :

Sambatra ianao izay miantehitra @ Kristy foana na mandalo fitsapana aza
« Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy. » (Isaia 30:18)
hivaly ny fitarainanao Aminy
« Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy. » (Isaia 30:19)
< hisy vokany ny asan'ny tananao< « Ary dia hanome ranonorana ho an'ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin'izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin'ny tany malalaka; » (Isaia 30:23)
MIFALIA FA AZO HO AZO ANTOKA FA HAMIRAPIRATRA NY HOAVINAO !!!
MATOKIA !
MAHEREZA !