"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MANANA KINTANA MPITARI-DALANA IANAO OLON’I KRISTY

Ny Fanahy Masina dia tahaka ny kintana hitari-dalana anao hanakaiky kokoa hatrany an'i Kristy
« ...; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zazakely. » (Matio 2:9b)
sady hampitombo ny fanoloran-tenananao ho Azy izany
« Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora. » (Matio 2:11)
HO TSAPANAO MANTSY NY TOMBOM-PIADANANA ANATY HANANANAO REHEFA EO ANILANAO ILAY MPAMONJINAO !!
MATOKIA !
MAHEREZA !