"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

VOATENDRY HANAMBARA NY TENA FAMONJENA IANAO OLON’I KRISTY

Ry olon'i Kristy ambarao fa izay tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra dia tsy ambinina
« Ary Zakaria, zanak'i Joiada mpisorona, notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra, dia nitsangana teo amin'ny avoavo teo anatrehan'ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy. » (2 Tantara 24:20).
ary na iza na iza mibebaka dia hahazo famonjena
« Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra?Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana. » (Asan'ny Apostoly 11:17-18)
SAHIA!
MATOKIA FA HO MARO NO HIOVA FO @ IZAO FARAN’NY TAONA IZAO !!!