"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MINOA FA VOAVELA IANAO IZAY NIBEBAKA MARINA


Ny mpanota iray rehefa tena mibebaka an-dranomaso eo anatrehan'i Kristy
« ary nijanona teo ivohony tanilan'ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin'ny ranomasony sy namaoka azy tamin'ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin'ny menaka manitra, » (Lioka 7:38)
dia voavela
« Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao. » (Lioka 7:48)
mila inoana anefa ny fandraisana ny famelan-keloka
« Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara. » (Lioka 7:50)

AO @ KRISTY MANTSY REHEFA VOAVELA DIA VOAVELA !IAINO ARY ILAY FIAINAM-BAOVAO AO AMINY E !!!MAHEREZA !