"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

JOSIA AO @ KRISTY IANAO


Modely @ fankatoava an'Andriamanitra
« Ary tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin'i Jehovah tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn'i Mosesy rehetra; …. » 
(2 Mpanjaka 23:25a)
teny efa napetraky ny Tompo ho an'i olony mantsy izany
« Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. » (Deotoronomia 6:5)
Matahora Azy e!
« Matahora an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao. » (Deotoronomia 6:13)
MAHEREZA.

MITADY MPANAPAKA MANANA TOETRA TAHAKA ANAO NY TOMPO!MANAIKY VE IANAO?