"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HIVADIKA KANANA NY TANY MISY ANAO OLON’I KRISTY


Izay tsy mivilivily fa mahitsy @ safidy hifikitra @ Kristy ihany
« Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; » (Deotoronomia 5:29)
dia hahita soa sady ho maro andro
« fa ny lalana rehetra izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo. » (Deotoronomia 5:30)
sady hipetraka eo tany voatahy manokana
« Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely. » (Deotoronomia 6:3)
NY TOMPO EFA VONONA FA ANAO SISA NY SAFIDY!MAHEREZA!