"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

METY HAHITA FAHITANA IANAO OLON’I KRISTY


Daniela dia nanonofy sy nahita fahitana
« Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Belsazara, mpanjakan'i Babylona, dia nanonofy Daniela sady nahita fahitana tao am-pandriany, ary nosoratany ny nofy, ka nambarany ny fotopototry ny teny. » (Daniela 7:1),
@izao andro farany izao koa dia misy olona tendren'ny Tompo hahita fahitana
« Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy; » (Asan'ny Apostoly 2:17)
sy maminany
« Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy; » (Asan'ny Apostoly 2:18)
AZA GAGA!TSY AZO FERANA NY FIASAN’NY TOMPO FA EFA MARIKY NY FAHATANTERAHAN’IZAY VOASORATRA IZANY!!!