"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

FANALAHIDIN’NY VALIM-BAVAKA NY FINOANA SY NY FAMELAN-KELOKA


Rehefa mamela ny heloky ny hafa ianao na iza na iza dia ho voavela eo anatrehan'ny Ray
« Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo. » (Marka 11:25)
sady afaka mino avy hatrany fa hahazo valim-bavaka
« Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany. » (Marka 11:24)

MAHEREZA !
SAHIA MANOVA NY TOEM-PONAO FA TSY HANENENANAO MANDRAKIZAY IZANY !!!