"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MILA MIASA HO AN’NY HAFA IANAO OLON’I KRISTY 2


Ampiasao izay fanomezam-pahasoavana anananao:
na mampiakatra finoana
« Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin'io vorihazo io hœ: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy. » (Lioka 17:6)
na faminaniana
« Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy; » (Asan'ny Apostoly 2:18)
na mampibebaka
« Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao. » (Asan'ny Apostoly 8:22)
na fahagagana
 « Ny famantarana mah'Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin'ny faharetana rehetra, tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe. » (2 Korintiana 12:12)
na hafa koa!

MANANA IANAO SATRIA AO ANATINAO KRISTY TOMPON’NY FAHAFENOANA!!!