"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

FIDIO IZAY JEROSALEMA TIANAO


Hisy Jerosalema izay holevon'ny afo
« Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Toy ny tahom-boaloboka amin'ny hazo any an'ala, izay natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema. » (Ezekiela 15:6)
 satria tsy mamoa ny tahom-boaloboka ao aminy
« Moa mba fangalan-kazo hatao zavatra akory va izy, na mba fangalana fihantonan-javatra? Indro, hatsipy any anaty afo hataina izy; ny laniny roa ho levon'ny afo, ary ny tenatenany ho may. Ka moa azo atao zavatra akory va izy? » (Ezekiela 15:3-4)
misy kosa mamoa satria miaraka @ Kristy
« Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. » (Jaona 15:5)
ANAO NY SAFIDY !
MINO AHO ANEFA FA TSY AMELANAO RAHA TSY HO LASAN’I KRISTY TANTERAKA NY TANANANAO E !