Mahatsiaro
ho resy ve ianao tahaka ny olona babo aram-panahy?
« Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny babo rehetra izay
natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona: » (Jeremia 29:4)
AZA
KIVY!
Ento am-bavaka mba hiadana ny tanànanao dia hiadana ianao
« Ary katsaho izay
hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i
Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo. »
(Jeremia 29:7)
MINOA
« Fa Izaho mahalala ny
hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy
loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany » (Jeremia 29:11)
TSY
IANAO IRERY MANTSY NO TIAN’ANDRIAMANITRA AVOTANA FA NY FIRENENAO MIHITSY!
MILA
MANANA TOE-TSAINA TAHAKA IZANY KOA IANAO OLONY!!!