Ny Tompo no hanendry anao olon'i Kristy
tahaka ny nanendreny an'i Josoa
« Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ho anao
Josoa, zanak'i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao
izy; » (Nomery 27:18),
sy Stefana
« Dia
sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno
finoana sy ny Fanahy Masina, .., »
(Asan'ny Apostoly 6:5a).
Handray
tsondrano lehibe ianao
« Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba
hihainoan'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra azy. » (Nomery
27:20),
sady hahomby @asa
« Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia
nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka. » (Asan'ny
Apostoly 6:8).
MATOKIA !
VAVAKA :RAY
O ! MANAIKY NY HO TENDRENAO AHO !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY
ANY NAZARETA AMEN !