Ho mariky ny fahatokisanao fa hanome fiainana sy fiadanana ny Tompo
no hanajanao sy hatahoranao Azy
« Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana;
ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo
anatrehan'ny anarako izy. » (Malakia 2:5).
Vokany:Hamoa voa tsara
ireo teny ambaranao
« Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary
tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny
fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny
heloka. » (Malakia 2:6).
MAZOTOA DIA HIFOHA TSY HO ELA NY
JEROSALEMANAO !
VAVAKA : RAY O ! TSY AMELANAY RAHA TSY
TANTERAKA IZAY EFA VOASORATRA HOE « HIADANA SY HO FINARITRA !HE
SAMBATRA TOKOA IZAHAY »@ ANARAN’ JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !