Hampahiratra ny masom-panahintsika no nahatongavan'i Kristy ,
« Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin'izao tontolo
izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny
mahiratra. » (Jaona 9:39),
mba hanekena fa @ alalany no ahazoana
famelan-keloka,
« Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny
anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka. » (Asan'ny
Apostoly 10:43).
Ho jamba izay mandà izany ,
« Hoy
Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo
ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo. » (Jaona 9:41).
VAVAKA :RAY
O ! AOKA MBA HAHIRATRA ARAM-PANAHY NY MALAGASY !@ ANARAN’I JESOSY
KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !