Kristy tsy namela ny fanahy maloto hirehareha
fa nandroaka izany tamin-kery
« Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hœ: Mangina
ianao ka mivoaha aminy. » (Marka 1:25),
dia niala izany
« Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia
niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy. » (Marka 1:26),
nanao
izany koa i Paoly
« Ary nataony tamin'ny andro maro izany. Ary
sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny fanahy hœ: Mandidy anao amin'ny
anaran'i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin'izany ora izany
indrindra izy. » (Asan'ny Apostoly 16:18).
VITANAO KOA IZANY!!
VAVAKA :
RAY O !OMEO FAHASAHIANA AHO HANDROAKA NY FANAHY RATSY !@ ANARAN’I
JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !