Ny toe-po
madio tanteraka
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hœ: Izay rehetra
tezitra amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na
zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika
hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hœ: Foka ialahy,
dia miendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo. » (Matio 5:22),
no zava-dehibe mialohan'ny
fanoloran-tena marina ho an'Andriamanitra
« Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho
eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo
aminao,dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha,
ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero
ny fanatitrao. » (Matio 5:23-24),
sady hitera-bokatsoa @ fanompoana
« Ary nahasitrana olona maro izay nararin'ny
aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny
demonia, satria nahafantatra Azy ireny. » (Marka 1:34).
MAHEREZA.SAHIA MIZAHA TOETRA NY
FONAO E!